Tantara kely momban'ny MPIKAMBANA  iray(1) ato amin'ny harenantsika.com.
Araho kely indray ary ny mombamomba azy.
Iza moa i Mme Vololona??
Ny anarany feno dia RAHARIVOLOLONA Charline, mpanao asa tanana izy ary ny crochet no tena manavanana azy.
Ny taona 2010 no nanomboka namokatra sy nivarotra ny asa tanany izy. Ny pôketra sy irony « accessoires de mode » irony no tena ahafantaran’ny besinimaro azy.
Ao amin’ny harenantsika.com sy irony karazana ventes exposition na foire irony no amoahany ny vokatra vokariny ankehitriny.
Nanomboka tamin’ny hamehana aram-pahasalamana voalohany izy no nanomboka nivarotra tao amin’ny facebook(FB), ary hatramin’ny nisian’ny plateforme harenantsika.com dia mandray kaomandy sisa no ataony; ankehitriny efa tsy mivarotra ao amin’ny facebook intsony izy satria araka ny filazany dia : “ maro ireo mpamitaka sy mpanao asa zara fa vita ao no sady mivarotra ny entany mora ka manjary manimba ny lazan’ireo mpanao asa tanana”.
Amin’izao fotoana izao dia mbola tsy manana toeram-pivarotana ankoatra ny harenatsika.com izy, noho izany ao amin’ny harenantsika.com no ahitantsika ny asa tanany ary afaka manao koamandy ao isika.
Ny hafatra avy amin’ny Mme vololona dia ny hirehareantsika ny maha-malagasy antsika ary ny hanjifantsika ny vita malagasy satria tsara ny vita Malagasy.